ROSO ISIKA!

Am-pifaliana lehibe no entina miarahaba antsika  rehetra mitsidika ity tranonkala ity.

Sehatra natao hifaneraserana sy hifanakalozana tsy tapaka  momban’ny lahasa karakarain’ny TAMIFA Madagascar izy ity no sady natao hampahafantarana ny Fikambanana amin’ny ankapobeny.

Nokendrena koa ho fitaovam-piasana ho enti-mifanampy amin’izay fomba rehetra hanosehana antsika eo amin’ny fifehezana ny fahaiza-mitarika sy fanatomombanana fihariana.Izany no manamarina rahateo ny tanjona ijoroan’ny Fikambanana.

Ankoatra ireo lahatsoratra samihafa izay hita miharihary dia misy koa ireo antontan-kevitra maro azontsika  jerena amin’ny alalan’ny karoka etsy ambony (barre de recherche) ato anatin’ny tranonkala .

Irina hamoaka ady hevitra amintsika izay voaresaka ato koa entanina ny hanehoan’ny tsirairay “commentaires” eo amin’ny pejy voatokana ho amin’izany.Afaka mitondra an’ireo lahatsoratra manokana na ny hetaheta izay heverina fa mampahomby ny tontolon’ny tanora isika mpamaky tsy an-kanavaka;na ho an’ny efa Mpikambana na ireo hikasa  ny hirotsaka.

Komity maharitra ifandrimbonan’ny Mpikambana  vitsivitsy eo ambany fiahian’ny Commission Envergure no miantoka ny TAMIFA Communication hatreto ka isan’ny anton-draharahany ny manajary hatrany ny lafiny fifandraisana aman-tserasera, indrindra amin’izao andron’ny fanatontoloana izao. Izao tranonkala zao no santatry ny vokatra voalohany fa mbola ho avy  ny sehatra hafa.Mbola misokatra ho antsika izay vonona hifarimbona izahay ato amin’ny TAMIFA Communication.

Tanora samy mikatsaka fandrosoana isika ka ny hampivelatra zany eo amin’ny tenantsika tsirairay avy sy ny manodidina no hifandrindrana anaty Fikambanana.Koa ndao amin’zay ary tena asehontsika ny fampiharana ny teny filamatra:      “FIFANDRAISANA,FIARAHA-MIASA ,FIFANAMPIANA”.

Mazotoa daholo  no mirary soa e!

Ny Mpiandraikitra ny TAMIFA Communication

Lova Toetra ANDRIAMIHAJA

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s