Jocelyne Rasoloniaina:ROSO ISIKA HO AMIN’NY SOA

          Fifaliana ho ahy ny mitondra ity tafatafa amintsika rehetra amin’ny alalan’ity tranonkala www.jocelyne.website.org ity.Pejina tranonkala izay vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny TAMIFAMadagascar no sady Fikambanana misy ahy rahateo.

Ity tranonkala ity dia natao hifandraisako aminao    namana,hifanakalozana,hifampizarana,hifankafantarana ary hikarohana tombotsoa miaraka.Lohahevitra isan-karazany no tiana hokirakiraina amin’izany.

 

1-NY FIANARANA TENY VAHINY:Misy ifandraisany amin’ny asako andavanandro hatramin’izao fotoana izao amin’ny maha mpampianatra teny Espanola ahy.Noho ny fahatsapana ny lanjan’ny fahafehezana teny vahiny(tsy ny E spanola irery ihany fa ireo hafa koa) ho amin’ny fifaneraserana andavanandro fa indrindra  làlana hisokafana amin’ny vondron’olona samihafa ary fitaovana enti-manita-pahalalana.Tsy efan’irery anefa ny asa fanabeazana fa mitaky fifandrimbonana amin’ny isan-tokony.Ianao mpamaky dia antenaina mba hivimbina koa izay anjara biriky ho fanosehana ny rehetra mba hisondrotra sy hivelatra misimisy kokoa eo amin’ny manandrify azy.

 

2-NY MANODIDINA NY VEHIVAVY:Ahoana ny famaritana ny hoe « Vehivavy « amin’izao taon-jato itoeran’ny fivoarana ara-toe-tsaina mitsoka izao sy ny fahamafisan’ireo tolona eo anivon’ ny isam-pirenena mba hisian’ny miralenta eo amin’ny lahy sy ny vavy(30% ka hatramin’ny 50% araky ny filamatra).Ekena anefa ary tsy azo lavina ny maha andrin’ny tokantrano ny Vehivavy izay tontolo efa nametrahana azy hatrizay: Ahoana ny hananana tokantrano milamina,fiainam-pianakaviana mirindra sy fitaizana mahomby ny ankizy?Inona avy ireo toetra mampiavaka ny vehivavy ka hanampy ilay maha » fanaka malemy »azy ;ireo  toetrany ireo izay  heverina ho teboka miabo ananany hampivoatra ny sokajy misy azy ireo amin’ny fiaraha-monina.

 

3-NY FIHARIANA:Inoako fa ny fisian’ity sehatra azo ifanakalozana ity dia hahafahana mofanampy sy mifamizara traikefa ha amin’izany.Tsy hijanona ho tora-kevitra ihany fa ho azo hotanterahina rehefa ampy ny tetika hahatafita izany.Inona avy araka izany ny asa azo masahana na mandeha ho an’olon-tokana na mitambatambatra?Dia ahoana koa no handrindrana azy ho manara-penitra?

 

4-NY FAMPAHALALAM-BAOVAO:Tontolo ifamezivezen’ny vaovao maro itony fitaovana itony ,kanefa antenaina fa ho haintsika ny mifampita sy mitrandraka izany mba ho tosika fifanabeazana amin’ny fomba samihafa ihany koa.

 

Tsy ireo ihany anefa fa azontsika hatao ny manolotra lohahevitra hifampizarana izay mety hifanasoavana  satria samy maharesy lahatra ilay fiteny hoe « Ny hevitry ny maro mahataka-davitra « saingy mety hanovana io avy aty aoriana koa ilay  » Asa fa tsy kabary ».Koa manantena antsika handeha lavidavitra kokoa àry!ROSO ISIKA E!

 

 

JEREO ATO KOA:

 

JOCELYNE AO@ FACEBOOK

LIVRE DE PASSEPORT EN ESPAGNOL

PARLER EN ITALIEN

Version hispanique du TAMIFA Madagascar

 

IREO LAHATSORATRA:

    –TANORA VE?

FEMMES FUTURISTES

-COMMENT COMPRENDRE LE LANGAGE SECRET DES FEMMES?

RAKI-KEVITRA SY ANTONTAN’ISA MOMBA NY TANORA ETO MADAGASIKARA

QUE FAIRE APRES LE BAC?

PROJET FIJ 2011

LES SECRETS DES HUILES ESSENTIELLES

278-recettes-de-cuisine-vegetalienne(pdf)

10 recettes phare de Clea cuisine(pdf)

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s