MANARA-PENITRA

Hanao fihariana fa manara-penitra ! Isan’ny teny malaza hanentanan’ny TAMIFA Madagascar ny Mpikambana io rehefa mamelona adihevitra ny fomba enti-mamorona sy mampijoro orinasa. Ny ankabetsahan’ny orinasa eto amintsika dia saika orinasa madinika sokajiana anatin’ny PME (Petites et Moyennes Entreprises) sy PMI. Ao ireo mitsangana sy misy efa miasa aza saingy mbola tsy manara-penitra. Izany hoe tsy manana fisoratana mazava manaraka na lalàm-panjakana misy. Mahazo faka ratsy rahateo moa ny baranahim-piainana (incivisme) ka ny fandosirana hetra (fiscalité) indraindray no mahatonga ny sasany tsy manatomombana tsara ny fihariany handeha amin’ny  tokony ho izy.

Ataon’ireny olona ireny ahoana anefa ny hahita fafiny amin’ny tsenam-pitondrana (marchés publics), hahazo tokim-pamatsiana avy amin’ny mpamongady, fahafaha-manafatra sy manondrana entana, fanamoràna ny loharanom-mbola avy amin’ny abaratongan’ny mpamatsy vola, fiofanana amin’ireo fandaharan’asa sy fanetsiketsehana samihafa, ny mifamatotra amin’ny sehatra sosialy sy ny sisa raha toa  tokoa ka mbola tsy manara-penitra ?

Ny toromarika entina amintsika eto dia fiaraha-miasan’ny TAMIFA  AFFAIRES tamin’ny EDBM ( Economic Development Board of Madagascar) izay manana ny biraony etsy Antaninarenina. Tsapanay ho vitsivitsy ihany mantsy ny mahalala ny fisian’ny GUICHET UNIQUE ao izay sampan-draharaha mahavita an-tsakany sy an-davany  ireo  antontan-taratasy rehetra  takiana amin’ny  famoronana orinasa madinika. Tsy mila mivezivezy mitety birao etsy sy eroa  intsony toy ny fomba nahazatra hatrizay fa efatra (04) andro ihany dia mivoaka ny fankatoavana ara-panjakana raha manaraka fepetra tsara.

Araka izany dia tsy tokony hampisalasala antsika ny manatona ny EDBM. Misy tompon’andraikitra mandray sy manoro lalana ny mpanao raharaha ao. Manolo-tsaina sy manome ny karazam-baovao tsara ho fantatra izy ireo ary maimaim-poana no hanaovany izany  (tohana ara-kevitra sy teknika).

Ireo andinindininy momba ny dosie foronina sy ny fombafomba arahina kosa dia azontsika hifampizaràna amin’ny CD na mailaka araka izay filàna.Mameno ny “commentaires” eto ambany fotsiny ianao raha mila izany.

 

IRETO AVY NY AO ANATINY:

 

 

Hetseho amin’izay ny fiharianao!

start.png

MPAMPITA SY MPANANGONA:  Olivier RAZAFINDRATSIMBA

CHEF COMMISSION AFFAIRE

TAMIFA Madagascar.

 

 

 

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s