MIHETSIKA NY TAMIFA Madagascar

 

  TSARA TARIKA SY MISANDRAHAKA

Na mbola sarotra sy mideza aza ny lalana mbola handehanana dia roso hatrany isika hoy i Ndriana RAKOTONDRATSIMA tamin’ny resadresaka nifampitafanay farany tamin’ny antso an-tariby taminy. « Mitaona antsika Mpikambana aho hilofo sy hitozo amin’ny fifeheza-mitarika sy fihariana.Eo amin’ny fiketrehan-javatra rehetra,ny manainga hatrany no zava-dehibe. »

Any amin’ny faritr’i Melaky (Maintirano sy ny manodidina) tokoa mantsy ity  Filoha nasionalin’ny TAMIFA Madagascar ity ankehitriny no mamita asa amin’ny maha-mpandraharaha azy eo amin’ny fanamboaran-trano (Entrepreneur de batiment).Tsy misakana azy velively amin’ny fitarihana ny Fikambanantsika izany satria mifandray tsy tapaka amin’ireo Mpitarika sy Mpikambana aty Antananarivo izy nohon’ny fivoaran’ny teknolojia.Mamparoroka rahateo ny fampisandrahana ny ambaindain’ny Fikambanana ny fiasany any amin’ny toerana toy izao satria manamora ny fijoroan’ny Rantsana TAMIFA amin ‘ny Faritra Melaky sy hatramin’iny Faritra Bongolava iny.

Raha teny amin’ny tananan’Itaosy Atsimondrano mantsy no nahafantarana ny TAMIFA fahiny dia mitombina tokoa ny maha- TAMIFA Madagascar azy amin’izao fotoana satria dia efa miha-maromaro ihany no ahitana Mpikambana miely patrana any amin’ny faritany.Eo koa ny tanora  namana any am-pitan-dranomasina izay mifanohana hatrany.

« Mivezivezy matetika any Antananarivo ihany aho rehefa tena amin’ny ilàna azy na koa fotoan-dehibe.Ny hafatro dia mila mihetsika lalandava isika Mpikambana tsirairay ary samy mitondra izay fahombiazana azony na ho an’ny tenany manokana na ho an’ny sehatra itambarantsika. »



BIRAOM-PIFANDRAISANA VAOVAO

Ampahafantarina isika rehetra fa araky ny nifametrahana tamin’ny fivoriana teny 67 ha   dia efa misokatra sy afaka mandray antsika tsy an-kanavaka ny Biraom-pifandraisana vaovao eny Mahatony Ivandry.Tsy manova ny Foiben-toerana eny amin’ny Cité des Assureurs Itaosy akory izy ity fa natao kosa hanampy .Indrindra eo amin’ny fifamoizam-baovao sy fanetsiketsehina ny asam-pikambanana sasany ho fampivelarana ny fifeheza-mitarika sy fiatreham-pihariana.

Araka izany dia tsy tokony hampisalasala antsika Mpikambana na ireo izay mikasa hanatevin-daharana ny manatona eny satria dia misy mpiandraikitra hatrany ao (Fifandraisana : 033 03 030 82).Tsy voatery  miandry fiantsoana manokana rahateo toy ny fanao mahazatra na fihaonana lehibe ofisialy ny maha-Mpikambana fa mila koloina amin’ny andavanandro mihitsy.

Antenaina koa fa hanosika ny ambaratonga sasany izay mbola tsapa ho maisamaisatra ny fihodinan-draharahany ny ho vokatr’izao.

 

 

HAISERA MIVOATRA

Fikambanana mivoy fandrosoana ny TAMIFA Madagascar ka tsy manaiky ho tara eo amin’ny fikirakirana ny teknolojia iainana.Isan’ireo fanamby lehibe efa navoitra tamin’ny fiandohan’ity taona ity ny mba hananantsika tranonkala ka nanankinana taminay ny fiadidiana izany.Efa iarahantsika mahita ny fahatontosan’izany ankehitriny na teo aza ny fahasarotana samihafa ary mbola miandalana koa ny fanatsarana azy.Tratra ny tondro ao anatin’ny Drafitr’asa ankapobeny amin’ny fampikarana ny tahan’ny fahitana antsika eo amin’ny tontolon’ny Internet (Taux de visiblités).

Dingana kononina indray kosa ny fampidirana ny fitantanana manontolo ny Fikambanana amin’ny alalan’ny tranonkala.Tsy ho an’ny sarababembahoaka ihany no hisehoana fa mila porofoina ny maha- fitaovana azy ho antsika tena Mpikambana.Hisy ato ho ato  ny fampiasana Logiciel izay novokarin’ny mpikatroka ato amin’ ny TAMIFA Communication (Gestion dynamique via web).

Mitaky hatrany fifanampiana sy fiaraha-miasa avy amintsika  anefa ny fampivoarana ny haisera toy itony.Atao ahoana ny hampakarana ny lentan’ny  namana  tsirairay amin’ny fifehezana ny fampiasana azy ? Atao akory koa ny amin’ny fizakana ny enti-manana ho amin’ny famelomana azy ?Inona no fomba fiasa mahomby kokoa ho amin’ny fandrindran-draharaha ?

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s