LEADERSHIP sa MANAGEMENT ?

Na dia misy ifandraisany aza dia tsapa fa maro ny mbola mampifangaro ny asan’ny mpitarika sy ny mpitantana. Nentina ho antsika hanazavana tsotsotra ho amin’izany ity  lahatsoratra  ity. Tsy hoe akory manan-danja  kokoa ny iray amin’izy ireo. Samy  ilaina  ny haitantana (Management) sy haitarika (Leadership) na eo amin’ny lafiny Fikambanana, ekipa, orinasa na an’ny tena samirery. Tsy zavatra isafidianana akory izy ireo. Koa dia inona àry ny mampiavaka azy ?

Mitantana zavatra isika , fa mitarika olona kosa ! Ny fitantanana dia mikasika ny fikirakirana ara-bola, firaiketana an-tsoratra ny fananana, ireo dingana arahina amin’ny  fantontosana asa sy fomba fampitam-baovao. Ny  ankabeazan’ny  olana hita eo amin’ny fandraharahana dia ny fitarihana olona. Raha toa ka mahafehy tanteraka ny fitantanana ireo vondrona mpihary, dia kely noho izany kosa no fantany mikasika ny fitarihana.

Ilaintsika rehetra ny fitomboan’ny vokatra lafo, ny famokarana ary ny tombombarotra. Samy te hahazo tsenam-barotra, hanana mpanjifa izay afa-po tanteraka ary tsy mivadi-pitokisana amintsika hatramin’ny farany, mpiasa izay mandrobona 100%, mahatondra zava-baovao ary mahatoky amin’ny fanatrarany ny tanjona aman- tetikasany .Mampitombo ny fahombiazana araka izany ny fahatakarana tsara ny fifandanjana eo amin ny fahaiza- mitantana sy mitarika.

Mety hampiasa ny teknolojia nivoaka farany indrindra ianao ary manana rafitra sy fomba fiasa tsara Indrindra (fitantanana) kanefa raha tsy mifantoka tsara amin’ny mpanjifa sy ireo mikarakara azy dia tsy hivelatra ny fitarihana. Ny loza dia tsy vitsy ny olona izay eo amin’ny toeran’ny fitarihana nefa tsy mpitarika. Izy ireny dia mpitantana, mpiasa birao, havanana amin‘ny hairaha (technocrats), lehiben-draharaha sy ny toy izany fa tsy mpitarika . Asa mantsy ny fitarihana fa tsy toerana.

Ny  fitarihana dia mikasika ny fisarihana (influence) sy  fanoroan-dalàna ny hafa. Io dia fahaizana mampivelatra ny olona. Io dia fahatakarana ny fomba fitondrana ny olona ary ny fomba hahatonga azy hiasa arak’izay tsara indrindra vitany. Io dia mahatonga ny olona hahatsapa fa itokiana izy ary hajaina amin’ny maha isam-batan’olona azy. Io dia mahakasika ny fahafantarany ny tenany (identité) sy ny fihetseham-po.

–       Mihetsika tsy miandry ny hafa (initiative) ny mpitarika ary mahavokatra asa

–       Mifantoka amin’ny olona sy mahavita mampiray ary mora tsinjon’ireo (visible) ekipany.

–       Manam-piniavana handresy hatrany ny mpitarika mahomby ary mora mifindra amin’ny manodidina azy ny fikasàny.

–       Voatosika sy entanin’ny vina (vision) ary ny asa iantsorohany.

–       Manaitra ny sary an-tsaina (imagination), ny faharanitana (intelligence) ary ny fahatokisan’ny mpiara-dia aminy ny mpitarika

–       Manampy ny olona hino ny tsy azo tanterahina ho azo tanterahina.

Amin’izao vanim-potoana izao dia te hotarihina ny olona. Mihavitsy ny te hiasa ho an’ny mpitantana (manager) fa saika mifidy hoentin’ny mpitarika. Ny mitarika dia manoro lalana (guide), misarika ary mandresy lahatra raha toa ka mifehy  zavatra sy rafitra (système) ary ny dingana tsy maintsy arahina (processus) miaraka amin’ny teknolojia ny  mitantana.Ny olona kosa  no tarihina . Mivandravandra matetika eo amin’ny tsy  famokarana ara-dalàna misoritra amin’ny sehatra  maro dia ny fisian’ny mpitantana saika mirona amin’ny  teknolojia (techno managers) izay mitondra ny olona ho toy ny fananana (gestion des ressources humaines).

Maro ny sehatra ankehitriny no tafalatsaka ao anatin’ny fomba fanao mahazatra ka tsy afa-mampiditra zava-baovao, fanovàna na mikojakoja ny misy azy akory. Miraikitra amin’ny fahazarana (routine) loatra izy ireny ka tsy afa-manitatra ny fomba fijeriny :

–       Efa aroso azy ny vaovao fa izy mbola mifikitra amin’ny teo aloha.

–       Tsy vitany ny mamaritra tanjona hafa misy lanjany sy fanamby.

–       Tsy amin’ny filàna (besoin) fa aompana amin’ny fomba fanao (tradition) ny fitondran-tena.

–       Tsy mahasahy misedra ny sarotra fa mionona amin’ny asa fikarakarana eo fotsiny.

–       Ampitaina amin’ny olona vaovao ilay  « fahendrena » tsy mamokatra.

–       Sakanana ny fahaleovan-tena amin’ny fomba fisainana amin’ny alalan’ny tsy fahazakana tsikera hatramin’ny madinika indrindra.

Fehiny: Mila « fitarihana » ny ankapobem-piainana raha te hikatsaka fandrosoana kokoa. Izany indrindra no mahatonga ny TAMIFA Madagascar manentana sy mifampizara amin’ny rehetra ny hananana ny tena mpitarika. Mbola tsy tara  anefa ianao raha izao vao tapa-kevitra. Vonona hifanakalo sy hifandefa aminao tsy tapaka izay karazam-batsy fototra ilaina amin’izany izahay.

MPAMPITA SY MPANANGONA : Rija ANDRIANANTENAINA

CHEF COMMISSION CAPACITE

10 responses to this post.

  1. you have a link on my blog http://tinyurl.com/immigration1001 ,I like this website its a master peace ! Glad I noticed this on google .

    Répondre

  2. How can I discover out much more details on this subject?

    Répondre

  3. your link on my blog here http://www.debtadvice123.info/?page_id=2 ,I really value your piece of work, Great post.

    Répondre

  4. Taylor Lautner Workout…

    By the way you might want to check out this cool site I found……

    Répondre

  5. I dont actually have much interest in your blog but I observed it at one more blog sharing great wordpress styles and they utilized yours as an effective example and it really is quite nice, excellent job!

    Répondre

  6. I’ve gone ahead and bookmarked https://tamifamadagascar.wordpress.com/2011/01/16/leadership-et-management/ at Digg.com so my friends can see it too. I simply used LEADERSHIP sa MANAGEMENT ? TAMIFA Madagascar as the entry title in my Digg.com bookmark, as I figured if it is good enough for you to title your blog post that, then you probably would like to see it bookmarked the same way.

    Répondre

  7. My wife and i felt now joyful when Michael managed to conclude his web research from the ideas he came across out of the site. It is now and again perplexing to simply possibly be giving freely techniques that many some others could have been trying to sell. We really see we have got the writer to thank because of that. The entire illustrations you have made, the straightforward blog menu, the relationships your site give support to engender – it is many unbelievable, and it is making our son in addition to our family reckon that the content is amusing, which is certainly incredibly indispensable. Thanks for the whole thing!

    Répondre

  8. Posted by Fanja Rasoaniaina on 13 octobre 2011 at 7 h 45 min

    Miarahaba anareo ao amin’ ny TAMIFA Madagascar.
    Tsapako ho zava-dehibe amin’ ny asa fampandrosoana ny tanora tokoa ny fivoizana ity Leadership ity raha mijery ny ataonareo amin’ ity site ity.Mahaliana be ilay izy ary dia mamporisika anareo hanohy hatrany.Mangataka manokana aho raha atao maromaro ny lahatsoratra toy ity

    Répondre

    • Many thanks to all those who comment on this article. We take your comments highest consideration. We promise to bring here always other ideas or publications about the middle of the Leadership and personal development.
      The Editorial Site

      Répondre

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s