LEADERSHIP VE?

 Ny fandinihana ny tantaran’ ireo olo-malaza eran-tany sy tafita teo amin’ izay nifotorany no niaingan’ ny fianarana ny Leadership.Ny fahatsapana fa tsy kisendrasendra akory ny maha tafapetraka eo amin’ ny  toerana Leader izany no antony mahatonga azy ho iray amin’ ireo taranja tsy maintsy atao (obligatoire) sy lafo vidy any amin’ ireo tany manan-karena toy ny any Amerika. Tsy misy rahateo ny nateraka dia Leader avy hatrany.Ary ny rehetra dia afaka ho tonga Leader avokoa  raha tena mikokotra.

 

Tsy mijanona ho fananana azy ho fahaizana fotsiny ihany anefa no tena zava-dehibe aminy fa ny fahafehezana. Hita ho manakaiky azy kokoa ny fandikana amin’ ny teny Malagasy hoe “Fifeheza-mitarika”izay noraisintsika ato amin’ ny TAMIFA Madagascar. Araka izany dia azo faritana tsotsotra hoe fianarana ho amin’ ny fampivoaran-tena mampizotra amin’ ny fahombiazana ny Leadership.Izy no isan’ ny miantoka ny fampivelarana ny  maha-olona.

 

Ny fiheverana manokana manodidina ny olona no antom-pisiany ka ny tenantsika tsirairay mihitsy no mila mahafehy azy. Diso ny fitsarana am-bolony indraindray fa natao ho an’ ireo mpanao politika sy mpitondra fanjakana ihany no tena manandrify ny Leadership.Tsy afaka mivelona samirery eto ambonin’ ny tany isika fa tsy maintsy misy ny hafa  mifampiankina amin’ ny tontolontsika.Ny fandaminana ny fiarahana eo amin’ ny mpiray monina sy sahan’asa hampahomby izay kendrena no idiran’ ny Leadership.Ny olona mandray ho tompon’antoka eo amin’ ny raharahany,ny tanora haka andraikitra samihafa eo amin’ny fiainany sy mitady fivelarana dia samy mila izany avokoa.

 

Isan’ ny afangaron’ ny sasany eo amin’ ny fanoritana azy amin’ ny Management ny Leadership izay tsy mitovy na dia mifameno aza eo amin’ ny fampandehanan’asa.Ny fampitoviana ny olona amin’ ny zavatra izay azo tantanina ara-bakiteny no mahavoa sy mamandrika ny maro ankehitriny. Ny zavatra tokoa no azo tantanina (Management)saingy ny olona kosa dia tarihina ( Leadership) .Io fahaiza-mandamina ny olona amin’ ny fitarihana io no Leadership.Indraindray  mantsy toa adino fa ny fahazoan’ ny sehatra iray toy ny orinasa na Fikambanana teboka miabo dia tsy maintsy niainga sy niankina tamin’ ny olona izay nikokotra sy niasa taminy.Raha te hampitombo vokatra tsaratsara kokoa noho izany ankoatra ny lafiny hafa toy ny ara-teknika dia tsy maintsy mijery sy mifantoka koa amin’ ny olona izay otrikarena (ressources)voalohany .

 

Be ny dingana tsy maintsy lalovan’ ireo izay maniry ho Leader ka ifampizarantsika Mpikambana lalandava eto  ny andinindininy satria mitaky famoronana tanora Leader be dia be amin’ ny lafiny rehetra isika raha hikatsaka fandrosoana mitombina ary aty anaty Fikambanana toy izao dia lalana iray manetsika ho amin’izany.

 

 

CITATIONS :

˝Un vrai leader n’a pas besoin de conduire. Il suffit qu’il montre le chemin
                                                         Henry Valentine Miller

 

 

˝Le monde des années 90 et au-delà n’appartiendra pas aux managers ou à ceux qui savent faire danser les chiffres. Le monde appartiendra aux leaders motivés, passionnés, des gens qui ont, non seulement une incroyable énergie, mais qui savent aussi transmettre cette énergie à ceux qu’ils dirigent.˝

                                                          Jack Welch

 

Laisser un commentaire