Fantaro ny Fikambanana

Mila sehatra hanandratany ny maha-izy azy ny tanora.Sehatra miantoka ny fampahombiazana ny fampivoaran-tena eo amin’ ny tsirairay.Dingana iray ho enti-mandray anjara amin’ izany no fototry ny antom-pisian’ ny TAMIFA Madagascar.

 

Hatramin’ ny taona 2009 no ho mankaty,dia mifantoka kokoa amin’ ny fanetsehana ny fifeheza-mitarika sy  fiatreham-pihariana ny asa aman-draharaha iompanana ka aorina amin’ ny fomba fiasa iaraha-mandrafitra sy fitsinjarana andraikitra mazava izany.

 

Toe-tsaina manohana hevitra tsotra no imasoany:

-Miara-mandinika izay mahasoa sy mijery ny azo ifanampiana

-Miara-mamolavola asa mikendry  vokatra hisongadinana isan-tokony

Ka avy amin’ny alalan’ny fifanakalozana sy fifampizaràna :

– zava-pantatra (information)

-fahalalàna (connaissance)

-fifeheza-manao (compétence)

-traikefa (expérience)

-fifandraisana (relation)

no hifampanjariana ny asa  rehetra ao anatiny ka ankoatry ny ezaky ny tenany dia mifarimbona amin’ ny  sokajin’ olona na vondron-kery afaka mifandrindra aminy  ny TAMIFA Madagascar.Fepetra hentitra kosa ny tsy itsabahan’ ny Fikambanana amin’ ny lafiny politika sy fironam-pivavahana.Malalaka kosa ny tsirairay ny amin’izay safidiny ho amin’izany.

 

NY ZAVA-KINENDRY ANKEHITRINY:

Mahazo vahana amin’ny fifeheza-mitarika sy fiatreham-pihariana ny Mpikambana  tsirairay hisondrotan’ ny TAMIFA Madagascar  ka andraikitry ny  rafitra isanisany ao aminy  ny mitondra ny tandrify azy sady mahazo koa ny anjara tandrify azy avy amin’ izany.Ireo no  mikendry ny fahatontosan’ ny tanjontsika  ankapobeny araky ny faritan’ireo Fitsipika samihafa rahateo ifamatorantsika.

 

Araka izany,dia tefentsika ho tetezamita hitarika  ho amin’ ny fandrosoana ity sehatra ity izay marihina fa efa mijoro ara-panjakana ka samy tompon’ antoka amin’ ny fampivelarana ny ambaindainy ny Mpikambana tsirairay. Misokatra ho an’ ny tanora vonona sy hitozo amin’izany asa izany ny TAMIFA Madagascar.

 

 

Tsindrio eto raha hamaky ireo Fitsipika mifehy ny Fikambanana

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s