Offre et demande d’emploi à Madagascar

Miarahaba antsika tsy an-kanavaka indray!

Roso tokoa isika ankehitriny ka izay fomba aman-tetika hisongadinana @fihariana dia ilofosantsika ato anatin’ny TAMIFA Madagascar avokoa.Miara-misalahy mifandrimbona @izany isika rehetra satria ny taon-trano tsy efan’irery.Na io lalana ho @fanatsarana sy famoronana orinasa,na io tolo-tanana sy fifanohanana @fitadiavana asa.

 

Raha mikasika ity farany dia tsapa fa tsy moramora tokoa ny mikaroka asa eto Madagasikara ary betsaka ny zavatra tsy mifandanja eo @tontolon’izany.Samy miaina izany na ireo nahavita fianarana lasa lavidavitra na tsia.

 

Nisy namantsika niangavy tamiko ny mba hamoahana toromarika momba ireo fepetra samihafa ilaina @fahazoana asa.Nisy koa ny nanolo-kevitra izay efa nampitaiko t@ mpiandraikitra ny TAMIFA Communication teto ny @fahafahan’ny tranonkalantsika manatanteraka filazana tolotra sy tinady momba ny asa.

 

Izay hoentina eto anio kosa dia fanomezana tahirin-kevitra vitsivitsy.Tsy natao ho antsika efa mpikatroka ihany fa indrindra ho an’ny tanora malagasy marobe izay mba mila tantsoroka koa.Iaraha-miaiky mantsy fa ny fandravana ny tsy fananan’asa no isan’ny miantoka ny fandrosoan’ny firenena ka ny fitomboan’isan’ny olona tena MIHARY no fanoitra lehibe hampiroborobo ho @ fivelarana misimisy kokoa.

 

Manasa antsika hijery sy hisintona maimaim-poana ireto tahirin-kevitra manaraka ireto izay amin’ ny endrika format PDF ny ankamaroany.Tsindriana fotsiny ny lohateny eto ambany:

 

1-Teknikan’ny fanoratana CV

2- Fanaovana Lettre de motivation

3-Boky : Comment Rédiger un CV Efficace

4- Exemples de lettres de motivation

5- Ny toetoetry ny asa eto Antananarivo

6-Guide de la recherche d’ emploi

7-Politique de l’emploi

 

Dia mirary antsika hibata fahombiazana eo amin’ izay rehetra tontosaina ary manainga hatrany ny fifanakalozana izay ifanaovana tsy tapaka eto amin’ ny tranonkala.Mampanantena koa ny tenako fa hiditra matetitetika eto hatrany ka hizara izay azo ifanampiana amintsika.

 

 

Mpampita : Naina RAKOTOMALALA

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s