HO AVY IREO HETSIKA NANDRASANTSIKA

Araky ny toromarika izay nifametrahana tamin’ ny Prezida Nasionaly dia hisy fihaonana lehibe isam-paritra hotanterahan’ ny TAMIFA Madagascar manomboka ny volana jolay 2012 izao mba ho fifanakalozam-baovao mivantana sy ho fifankafantarana,indrindra amin’ ireo namana vaovao.

 

Fotoana araraotina ihany koa io ho enti-mandrindra bebe kokoa ireo hetsika ho amin’ ny fifeheza-mitarika sy fihariana izay anton-draharahan’ ny Fikambanana rahateo.

 

Fotoana efa nandrasan’ ny Mpikambana maro tokoa ny hetsika lehibe toa izao raha toa ka fivoriana madinidinika sy mahalankalana no nateti-pitranga tato ho ato.

 

Araka izany dia entanina isika isanisany hiomana ho amin’ ny fandraisana anjara amin’ izany.

 

Ho ampitaina amintsika miandalana eto ihany ny daty sy toerana  ary ny fandaharam-potoana mazava hanatontosana azy isaky ny faritra.

 

Anio sabotsy tolakandro amin’ ny 03 ora dia hisy fivoriam-panomanana eny amin’ ny Foiben-toerana Cité Itaosy.Koa entanina isika rehetra  izay afaka . Mankasitraka mialoha ny finiavantsika hitombo hatrany ho amin’ ny fahombiazana !

 

 

Naina RAKOTOMALALA

Mpandrindra Foibe

One response to this post.

  1. Dinika fifanakalozan-kevitry ny Mpikambana TAMIFA Madagascar

    Ity àry ny fotoana izay hanasana antsika rehetra ho an’ Antananarivo sy ny manodidina
    sabotsy 30 jona 2012
    Manomboka amin’ ny 02 ora sy sasany tolakandro
    Ao amin’ ny Foiben-toerana Cité Akany Sambatra Itaosy (Eo amin’ ny Terminus 133 Cité no fotoana ho an’izay mbola tsy mahita ny toerana
    LAHADINIKA:
    -Ny TAMIFA Madagascar miara-miantsehatra amin’ ny fiaraha-monim-pirenena (Société civile)
    -Ny TAMIFA Madagascar mitrandraka ireo fitaovam-pivoarana ho fampandrosoana ny fifeheza-mitarika sy fihariana eo amin’ ny tsirairay
    -Tati-baovao samihafa sy fandraisana ireo namana vaovao

    Mankasitraka mialoha ny finiavantsika hitombo ho amin’ ny fahombiazana!

    Ndriana RAKOTONDRATSIMA
    Prezida Nasionaly

    Répondre

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s