Adolantsento

Eto amin’ ity tahala ity no agodànantsika ny adihevitra manodidina ny tontolon’ ny Adolantsento rehetra.Malalaka ny fandraisan’anjara eto, na ho an’ izay te hamosaka ny fijeriny na ho an’izay lohahevitra tian-koborahina.

 

Ny tanjona dia ny hahatonga antsika tsy misy avahana ho zatra hamoaka izay valonan-kevitra mifantsika any anaty eritreritra miafina tsy misy mpahita sy mpihaino any  ka samy mba hahazo sy hahaoty an’ izay tandrifiny azy isika tsirairay izay mahatsiaro voakasika.

 

Entanina ho amin’ ny fahaizana mampita hevitra an-karihary sy tsy misy henamaso koa isika satria izany rahateo ihany no mahatakatra ny lavitra sy mampandrobona fandrosoana.Ny marina rahateo tsy enti-mandalo araka ny fiteny!

 

Fady kosa anefa na izany aza ny mifanangan-ko fahavalo eto raha toa ka tafakatra ambonimbony ny tahan’ ny fifanandrinan-kevitra indraindray.Ny saina no miady fa ny fo tsy maratra.

 

Izay no sava-lalana fa dia roso àry e!

6 responses to this post.

  1. Posted by Jocelyne RASOLONIAINA on 5 mai 2012 at 8 h 46 min

    Rehefa inona no tokony hiditra amin’ ny fitiavana ny tanora lahy sy vavy?

    Lafiny iray manahirana ireo ray aman-dreny amin’ny fitaizana ireo menaky ny ainy ny fotoana itsirian’ny fitiavana eo amin’ireo zanany na vavy na lahy fa indrindra moa ireo zazavavy.Io fotoana io koa no anombohan’ny fifandirana na fifamaliana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka.Ifotoran’izany adi-hevitra izany ny hoe: Amin’ny fotoana tahaka ny ahoana no afaka miaraka amin’olona anankiray ny tanora? Olona tahaka ny inona no tokony iarahana ?

    Raha azo novaliana mazava izany dia tsy ho niseho ireo fifandisoan-kevitra samihafa. Ny manahirana dia na ireo milaza fa efa ampy traikefa eo amin’ny fitiavana aza dia tsy sahy loatra manolotra valiny mazava tsara ny amin’izany.Na ireo ray aman-dreny izay misakana ireo zanany ho amin’izany koa dia tsy afaka tena mamaritra ny valin-teniny fa mazàna dia «mbola kely loatra ianao anaka,mbola tsy tokony ho amin’izany ny sainao fa tokony ho fianarana aloha no eritreretina,mbola manana fotoana ianao hanaovana izany fa ny hoavinao aloha banjinina,tsy te hanana ny ratsy izahay ».
    Ny fitiavana mantsy dia fihetseham-po voajanahary ka izay tratrany dia tsy afa-bela tokoa na ireo manomboka kely taona na ireo lazaina fa efa lehibebe.Eo indrindra no ilàna fandinihana eo amin’ireo adolantsento ary manahiran-tsaina ireo ray aman-dreny.

    Ny fitiavana dia fotoana tokony hampisehoan’ny tanora ny fahamatorany na ny fizorany mankany amin’izany fahamatorana izany. Eo no hamaritana hoe efa afaka miditra amin’ ny tontolon’ ny fitiavana amin’izay izao.Fanapahan-kevitr’olon-tokana izy io nefa tsy tokony hisakana ny hevitry ny manodidina ,indrindra ireo ray aman-dreny.Fotoana hitandremana amin’izay izarana ny tsiambaratelo. Fotoana sarobidy manamarika ny tantaran’ny olona iray ka mety hanoritra ny toetrany mandritra ny androm-pianany. Azon’ny ray amandreny atao ny manoro hevitra sy miaro ireo zanany ho amin’izany fa ny hibaiko mivantana kosa no tsy tokony hidirany.
    Maro ireo zatovo izay mitady ho voatosik’ilay fihetseham-po ka zary tsy mandinika ny lalana hizoran’ilay fitiavana.Voasariky ny endrika ety ivelany ka dia revo tokoa: bika, aingitraingitra, vola, fifaninanana ka tsy mahita izay mety ho lafiny ratsy amin’ilay olon-tiana, voasarik’ireo ka tsy te hihaino izay hevitry ny manodidina azy.Raha mijanona amin’ireo ihany ilay sintona eo amin’ny fitiavana dia azo iafiana ihany.
    Io fiarahana io anefa dia mety ho andrakandrana tian’ireo tanora hatao amin’ny maha tanora te hahalala zavatra sy tia zava-baovao azy.Azo andramana tokoa ve anefa ny fitiavana? Ny valiny dia tsy azo andramana izy io amin’ny maha fitiavana fihetseham-po azy fa ilay fihetsika sy izay atao manaraka izany fiarahan’olon-droa no mahaliana ireo tanora ny te hanandrana izany.Eo indrindra no mahasarotra ny fanabezana ny tanora vao hiditra eo amin’ny sehatry ny fitiavana ka itadiavan’ny ray aman-dreny hiditra an-tsehatra ary raha azony natao dia ny hitantana izany fiainana izany mandra-pananany tokantrano.

    Mila fahavononana indrindra koa ny fanomanana ny fiainam-pitiavana nefa sarotra ny manana ilay raiki-pohy hahazoana antoka fa tsara ilay safidy natao,efa tena fotoana tokony hananana olon-tiana izao,ity olona ity no mety amiko ka tsy hitondra olana ho ahy ny fanekeko hiaraka aminy,efa fotoana tokony hirosoanay lalina amin’izay izao.

    Répondre

  2. Posted by Fytia on 8 mai 2012 at 9 h 05 min

    AZA MAIKA TSY FAINGANA REHEFA MITIA!

    Ao anatin ny fotoana maha-adolantsento dia miboiboika tsy hay tohaina io fitiavana io. Ao anatin’izany no ahitana ny tena hamamin’ny fiarahana amin’ny olon-tiana fa ao ihany koa anefa no iainana ny tena ngidiny indrindra. Tsy ireo izay manana olon-tiana ihany no mety harary fo fa ireo izay mahatsiaro tena ho tsy misy mpitia indrindra indrindra koa.

    Ampy fitiavana

    Misy tokoa ireo mahatsiaro tena ho tsy mitovy min’ny namany satria tsy mbola miaraka amin’olona foana nefa mitovy taona izao ihany. Mba maniry ery ilay fo kely ny hahafantatra izany mifampizara fitiavana, teny mamy sy tambitamby izany. Toa zava-baovao mahaliana izany nefa rehefa zohina, efa nanome izany ihany ireo ray aman-dreny. Araka ny fanadihadian’ireo mpikaroka rahateo dia somary taraiky kokoa ireo tanora nahazo fitiavana be tany amin’ny ray aman-dreniny vao “manao sipa” satria mbola ampy ny fitiavana azony. Na izany na tsy izany anefa, lalam-piainana diavin’ny olona rehetra izany, mitondra mankany amin’ny fahalehibiazana, ka saika mizotra amin’io daholo na ireo sambatra teo an-tokantranon-dray aman-dreniny na ireo tsy dia nahazo tambitamby firy.

    Tsy ifaninanana

    Ny tokony hotadidian’ny tanora ihany koa dia tsy misy taonany io fitiavana io. Tsy mitovy ny toe-po sy ny filàan’ny tsirairay. Miankina be amin’ny fitaizana sy ny toetra ihany koa ny firosoana amin’ny fananana olon-tiana. Ary ny tena zava-dehibe indrindra, tsy natao hifaninanana izy io. Izany mantsy no mahatonga ny tanora sasany hanaonao foana. Mahita ny namana manao dia mba manandrana ihany koa. Izay voafehin’ny hafa anefa, mety tsy ho voafehinao. Aza entina amin‘ny fitiavana andrakandrana fotsiny ny fiainana fa lanjalanjao tsara aloha izay atao. Tokony ho olona efa mba manana fahamatorana rahateo vao mitia. Ataovy mazava aloha izay tanjona tianao hotratrarina eo amin’ny fianana ary tadiavo ny fomba rehetra hanatrarana izany. Manaraka ho azy eny ny sisa.

    Araka ireo voalaza ireo, aoka tsy ho aretim-po be ho anao ny tsy fananan olon-tiana. Tsy sampona ianao ary tsy hafa raha samy hafa fa mety mbola tsy tonga fotsiny ilay fotoana. Azo lazaina ho matotra fomba fijery kokoa aza ianao ka tsy maika tsy faingana fotsiny fa mahay mandinika tsara vao miroso. Tsy ilaozan’olana io fitiavana io ka tsy aleo ve miandry ilay olona azo antoka sy afaka mifampizara ny olanao ary mahay mifanohana aminao ?

    Fytia

    Répondre

  3. Posted by Jocelyne RASOLONIAINA on 9 juin 2012 at 7 h 58 min

    AIZA NO MISY NY TENA NAMANA?

    Manomboka ny fahazazana ny olona dia mitady « namana » saingy amin’ny fomba hafa ny fisehoany satria ny olona dia matahotra ny irery.Ny Ray aman-dreniny sy ny zoky ao an-trano fa indrindra ny reniny no faritana ho namana voalohany amin’izany.Amin’io fotoana io dia olona hampifalifaly, hiara-milalao no nilàna kokoa ny namana .Rehefa mitombo ny taona, indrindra rehefa mamonjy ny toeram-pianarana dia miova ny ilàna namana, dia miova hatreo koa ny fiatrehana ny atao hoe « namana ».

    Manomboka ny ahiahy sy ny sakana samihafa!
    Raha mbola eo amin’ny ambaratonga voalohany na faharoa eo amin’ny fianarana ny ankizy dia mazàna mbola mifantoka amin’ny tena hoe kilalao no andaniany ny androny raha toa ka sendra tafaraka izy ireo.Noho ny fandrosoan’ny teknolojia dia miha manahiran-tsaina ireo lehibe ny ataon’ireo ankizy noho ny hamaroan’ ireo karazana kilalao tsy ampoizina izay mety tsy hifanaraka amin’izay fahalalana azony sy ny sehatra niainany ka hahavariana azy ireo ary hampanivaka ny sainy.
    Tapitra ny ambaratonga voalohany sy faharoa dia miditra amin’ny fahatanorany ity adolantsento.Manamarika ny fiainany sy iankinan’ny hoaviny ny manodidina azy sy izay hitondrany ny fiainany manomboka eo.Ny ampahany maro amin’ny tontolo androny dia holaniany bebe kokoa any ivelan’ny tokantrano :fianarana sy ny namana.Manomboka mihataka amin’ny ankohonany ny adolantsento amin’io fa sitrany ny hivoaka ny tranony te hahalala zava-baovao na te hampiseho tsotra izao fa efa lehibe ka ilaozan’ny toetr’andro ny miara-milalao amin’ny dada sy neny,raha mijanona ao an-trano izy dia ny mitarika ireo namany ho any aminy no masaka ao an-tsainy .Amin’io vanim-potoana io no matetika mitranga ny sakana samihafa toy ny tsy fahazoana mivoaka,tsy azonao atao ny miaraka amin’iny namanao iny,tsy mahazo mitondra ireny namanao ireny aty an-trano.Satria ireo Ray aman-dreny koa dia tsy tara amin’ny fiarovana ireo zanany izay mazàna saronana amin’ny hoe « tahotry ny tsy te hanan-dratsy ».

    Atoroy ahy ny namanao dia ho fantatro ny momba anao!
    Matetika dia ireo tanora mitovy fironana sy zavatra tiana, izany hoe mitovy fisainana no lasa mpinamana .Tsy lavina koa anefa ny mifanohitra amin’izany.Eo amin’ny taonan’ny tia andrakandrana ny tanora amin’io fotoana io.Mahafinaritra tokoa ny miaraka manao andiany araky ny fitiavana: fijerena rindran-kira ataon’ny mpanakanto malaza ,famonjena toeram-pandihizana,fanaovana fanatanjahan-tena,fiaraha-mitsangatsangana ,fanaovana kilalao iraisana.Ny mahafinaritra indrindra azy ireo anefa dia manatanteraka izay lavitry ny mason’ireo “lehibe” satria ho azy ireo midika tsy fahalalahana ny mifaly eo imason’ireo lehibe (ray aman-dreny) .Mety ho diso ihany anefa ny fihevitr’izy ireo satria misy ireo ray aman-dreny sy mpiantoka izay malala-tsaina afa-mahatakatra izay tiany sy tadiaviny.

    Dona amin’ ny fiaraha-monina
    Tsy ny fialam-boly ihany anefa fa tsy afa-misaraka amin’izany koa resaka fitafiana sy ny fiteny .Teboka anankiroa izay matetika mampifandona ny tanora amin’ny atao hoe fiaraha-monina ireo lafiny roa ireo.Raha ny fitafy manokana dia misy tokoa ireo sahirana na mitazana fotsiny ireo tanora manao hetim-bolo tsy mitovy amin’ny ataon’ny be sy ny maro ,manao fitafy sokajiana avy hatrany hoe tsy maotina indrindra moa raha misymipololotra ny setroka eny antanany manampy trotraka izany koa izany raha toa ka zatovo lahy sy vavy no miara-dia satria tsy lavitra izany ny tontolon’ny fitiavana.Ireo anefa dia anakilasiana azy ireo ho “maditra” satria ny ambara ho maditra eto dia manao sy maneho izay tsy ataon’ny ankapoben’ny fiaraha-monina.Mampametra-panontaniana ihany anefa izany toe-javatra izany hoe azo itsarana ny toetra na ny toe-panahin’ny olona iray ve ny endriny ety ivelany? Raha izany mantsy no mitranga, misy koa ireo tranga manambara fa fanehoana fahalalahan-tsaina eo amin’ny olona iray ary mety ho fivoarana mihitsy ny fisokafana amin-java-baovao iray ary fahateren-tsaina ny mifanohitra amin’izany.Misy indrindra ary ireo ray aman-dreny valalanina rehefa tsy mandeha mivoaka, tsy mana-namana sy tsy liana na amin’inona na inona ny zanany ka mitady ny fomba rehetra hialan’ny zanany amin’izany fikombonana mahazo azy izany.

    Manana ny fiteniny
    Tsy ambakan’io koa ny fomba firesaka.Ny fanajana no mametraka kokoa ny olana eto ary mitarika mankany amin’ny tsy fifankazahoan-kevitra.Isaky ny vanim-potoana dia miova ireo “fitenin-jatovo”.Ireo samy tanora no mifankahazo resaka amin’izany ary ireo tsy mahalala izany dia sokajiany avy hatrany ho antitra sy tsy maharaka ary ilaozan’ny toetr’andro.Indraindray anefa dia tsy mijanona eo amin’ilay vondrona ny ifanaovana ireo fiteny ireo fa tonga hatrany amin’ny tokantrano misy azy isanisany ka mitarika fifandonana satria saika teny mivantambantana sy teny iray misy dikany hafa ivelan’ny fahazoana azy andavanandro ireo teny ireo na koa tena mbola tsy faheno mihitsy ka mety mandratra ny sofina .Ny tena mahatalanjona dia tsy vitsy amin’ireo voalaza fa tenin-jatovo ireo no ampiasain’ny olon-drehetra aty aoriana,satria izany koa dia isan’ ny miantoka ny fahaveloman’ny teny anankiray.

    Ka inona no atao hoe tena namana ary misy ve ny naman-dratsy?
    Ny namana dia iarahana matetika ,izaràna ny hafaliana sy ny alahelo.Ifanakalozan-kevitra amin’izay irina hatao, indrindra hatramin’ny fikasana amin’ny ho avy.Manamarika ireo tanora ny fitiavana mialavoly sy ny rendrarendra.Io lafiny io indrindra anefa no ilàna fahamailoana amin’ny fiarahana amin’ny namana satria tsy ilaozan’izay namana hitarika any amin’ny ratsy.Tsy azo fantarina mialoha anefa izany tranga mampanahy fa ny torohevitra azo ampitaina dia eo amin’ny fotoana maha-adolantsento dia efa tokony hanana ny toe-tsaina manana ny maha-izy azy sy maha-mpitarika ny tanora fa tsy hiandry efa hiditra amin’ny falehibeazana vao hamboly izany.
    Raha tafatoetra ireo dia ho adolantsento mahay mandà izay fantany fa tsy mahasoa azy ary tsy mora hopempoin’ireo namany amin’izay fantany fa mahasoa azy izy.Azo atao ny manana namana betsaka ary tena ilaina izany fa fantenana kosa ny ametrahana ny fitokisana ary tsy tokony hahatezitra ny filazan’ny manodidina ny momba ilay namana satria ny tena tanora dia efa mila mahay mandanjalanja sy mamakafaka na dia voalaza ombieny fa mbola tsy matotra loatra aza.Izay mahafehy izany rehetra izany kosa no mahazo ny tena namana.

    Jocelyne RASOLONIAINA

    Répondre

  4. Izaho mahita hoe marina daholo ny hevitra navalinareo namana, maneho fisaorana. Fa tokony atao fohifohy fa manjary raha tsy manam-paharetana tsy mahazo ny tiany ambara.

    Répondre

  5. salut,marina dol reo voalaza ireo ka mila fandinihana

    Répondre

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s