Ny tena Leadership: Ireo hevi-diso amin’ ny fandraisan’ ny olona azy

Le vrai Leadership

Tahaka ny fanoritsoritana ny hatsaran-tarehin’olona iray  hoy ingahy Warren Bennis, manahirana ny mamariparitra azy, saingy rehefa hita maso kosa dia miharihary aminao avy hatrany ny maha-kanto azy.   Toy ny akondro mahia misy masaka koa hoy ny Ntaolo ka saro-dazaina aman-kavana.Azo ambara ho toy izany ny Leadership.

Na efa nisesy aza ny andiam-panazavana nezahintsika nentina tamin’ ny fomba samihafa dia tsapa  amin’ ny alalan’ ireo resadresaka  sy ny fametrahana fanontaniana avy amintsika  fa  mbola be ihany ireo tsy mahazo tsara ny tena atao hoe Leadership ka ny manodidina azy io indrindra no ndeha hasiantsika  teboka vitsivitsy eto.Indrindra ireo izay mifono fiheveran-diso amin’ ny fandraisan’ ny olona  azy.

 

IANARANA  VE NY LEADERSHIP?

Misy milaza fa tsy tokony ianarana hono ny Leadership fa mandeha ho azy fotsiny amin’izao. Hanamarinany ny heviny ny fisian’ireo olona sasany tonga eo amin’ ny sehatry ny fitarihana izay tsy nandalina na kely akory aza  an’izay Leadership kanefa dia mahazo fahombiazana tokoa eo amin’ ny ataony.

Ny marina anefa, na isika tsirairay io aza mbola nampianarana  nitan-tsotro fony fahazaza  vao nahay nampiditra izany tao am-bava sy nihinan-kanina.Diso marin-drano noho izany io fiheverana io fa tahaka ny milaza fa nisy olona tonga dia nahay avy hatrany tany an-kibon-dreniny.

Misy amin’ ny ankizy ohatra somary mailaka sy petsam-bava rehefa miteny.Dia tsaraina avy hatrany ve fa ho mpikabary na koa ho mpanao politika izy rehefa lehibe any aoriana?  Mazava ho azy fa rehefa tsy misy fifotorana sy filafihana lalina ho amin’izany dia ho very an-tsevony eny anelanelany eny ilay talenta kely sendra mba nitsidika.

Isika eto tsy hamahavahany Leadership de droit  sy ny Leadership informel  izay lafiny roa (02) ahatongavana eo amin’ ny toeran’ ny Mpitarika saingy manome lanja kosa fa amin’ ny zava-drehetra dia tena tsara ny miditra  amin’ ny fandalinana.Mainka moa fa tontolon’ ny Leadership no kirakiraina!

Raha ny teto Madagasikara manokana dia isan’ ny taranja azo kilasiana ho taty aoriandriana ihany vao nisy nirona tamin’ ny fampianarana azy  ny Leadership. Angamba noho isika niaina ny fanjanahan-tany no antonanton’izany ka mazàna izay malaza avy any amin’ilay firenena mpanjanaka no manjary randra-tarihina eto .Any Frantsa mantsy dia somary mikaviavia ny maro amin’ ny fandraisana ity Leadership ity mandrak’izao na dia efa ela aza no nisy foana ny fitarihana.Tsy misy rahateo  ny voambolana mazava manondro azy ity amin’ ny fitenin-drizareo satria tsy mahafeno ny fandikana azy ny teny toy ny hoe: Dirigeance, Hégémonie, Chefferie,….

Raha eo amin’ ny tantaran’ ny fampianarana dia  ry zareo  Amerikana no tena mpivoy azy ito ary any amin’ ny be kintana dia taranja lafovidy sy isan’ ny tsy maintsy ilofosana (Obligatoire) amin’ ny ambaratonga samihafa ny Leadership.

Ny Fikambanana tanora toy ny TAMIFA Madagascar izay miasa ho amin’ ny fanapariahana ny Leadership dia manondro fa tsy ny fianarana fotsiny no ilàna azy ity fa ny fahafehezana mihitsy.Fifeheza-mitarika rahateo moa no andikan’ ny Fikambanana ny Leadership amin’ ny teny malagasy.

Tamin’ ny fotoan’andro nitondran’ ny Prezidà Ravalomanana dia nisy ny fananganana sekolim-pirenena ambony momba ny Leadership.Tsy vitsy amintsika angamba ny mbola mahatadidy ny fisian’ ny NLIM ary dia teny amin’ ny lapam-panjakana Iavoloha mihitsy no nanorenana azy.Efa nisy ny vahiny nafarana hanofana teny tamin’izany ka isan’ ny nisongadina tamin’ireny ny fampianarana ny vontoatin’ ilay boky malazabe nosoratan’i Stephen R.Covey mitondra ny lohateny hoe « Les sept habitudes ».

Nampalahelo moa ny zava-nisy rehefa tonga ny « sakoroka » tamin’ ny taona 2009 fa dia norobaina  sy noravaravana ny NLIM ary ireo mpitondra mpandimby tato aoriana dia tsy nanisy sira intsony ny amin’ ny fampianarana ho an’ ny daholobe ny Leadership.

Mahavelom-bolo kosa ankehitriny fa miha-mitombo ny fisian’ ny sekoly mampiditra azy na ny fisian’ ny fanofanana hita etsy sy eroa.Porofo maneho ny maha filàna tsy azo dinganina azy izany ary ny tanora izay manana fikasana hiandraikitra ho an’ ny fitarihana no tena iantefàny.

Fianarana lalandava rahateo ny fiainana .Koa raha misy sehatra ahafahana manatevina an’izay efa eo am-pelantanana dia tsara hatrany ny miroboka ho amin’izany.Ary raha Mpitarika mahay dia tsy maintsy mahita zoro hatrany amin’izay madilana mila ho tentenina aminy.Misy foana koa ny zava-baovao mipoitra izay mety tsy ho voatery norantovina na tsy mbola nananana haizatra ka ilaina ny mamantatra sy manangona azy ireny miandalana.

 

 

FANAOVANA POLITIKA VE ?

Tsy lavina fa amin’ ny sokajina Mpitarika mety ho fantatr’olona be dia be indrindra dia ireo mpanao politika sy mpitondra firenena no tena mivandravandra.Angamba nohon’ ny maha-lehibe ny andraikitra sahanin’izy ireo na nohon’ ny fisehoany matetika amin’ ny haino aman-jery aterak’io na izy ireo mirotsa-kofidiana no mahatonga izany.Hany ka misy diso fijery amin’ ny fandraisana ny Leadership amin’ ny ankapobeny.Midadasika rahateo moa ny kianja ilalaovana ho an’ity sehatra ity satria ny firenena no jerena.Eny, hatramin’ny iraisam-pirenena mihitsy.Ary vahoakabe koa no hosarihina ka mora mahatalaky maso.

“Izahay efa leo politika ka aza ampidirina intsony amin’izany resaka Leadership izany” hoy ny valintenin’ ity zatovo iray raha sendra nisy nanentana azy ho amina fanatrehana seminera momba izany.Aminy izany ny Leadership dia mira politika avy hatrany.

Amin’ ny Leadership  anefa dia ny fombafomba aman-tetik’ireo Mpitarika rehetra nahita fahombiazana na inona na inona sehatra nisy azy no tena dinihina amin’ ny alalan’ ny fanjohiana akaiky ny zotran-tantarany (Leadographie). Ary rehefa tena manatsikafona tsara aza dia mahita fa sehatra marolafy no idiran’ ny Leadership.Ary saika ireo mifandraika amin’ny varotra no 99 isan-jato fa tsy dia ny lafiny fitarihina vondron’olona sy fikambanana hatrany.

Varotra sy ny manodidina izany avokoa moa ny ankamaroan’ ny asa misy eto ambonin’ ny tany.Ary raha vao izany dia tsy maintsy fitodika hatrany ny any amin’izay ho mpanjifa (Ny filàny, ny fanintonana, ny fitazonana,…). Na io politika resahintsika io aza ange dia varotra ihany koa satria fampanjakana hevitra sy fandresen-dahatra ho amina fironana iray no entam-barotra miavaka aminy.

Ireo mpanao raharaham-barotra te hanitatra ny fihariany noho izany dia mila ny fahaizana avy amin’ ny Leadership  satria io fifandraisany amin’ ny mpanjifa io no  isan’ ny miantoka ny fivoaran’ ny asany. Misy mihitsy aza  moa ny mpandraharaha vaventy any amin’ ireo orinasa matanjaka, indrindra ny any am-pita no  manokam-bola sy sahy manakarama lafobe an’izay havanana amin’ ny” fihazana olona” (Chasseurs des élites).

Ary mazava fa tsy ireny sehatra goavana ireny ihany akory no tandrify ny Leadership fa matetika, na tsy tononina mivantana aza dia efa tafatsofoka ao hatrany Ra-Leadership.Na fandaminana ny olona miara-monina aminao ao an-tokantrano ao aza ohatra raha raim-pianakaviana ianao dia mitaky fombafomba maty paika mba tsy hisian’ ny fifandirana sy hampirindra azy ho soa.Tsy Leadership ve izany?

 

 

FAHAIZA-MITANTANA VE ?

Teboka izay tena ampifangaroin’ ny maro indrindra ny manavaka ny fitantanana sy ny Leadership. Na mifameno aza ny fahaizana entin’izy roa ireo dia mahavariana fa betsaka no voafandrika aminy.Misy ny tanora izay vao avy nandalo fiofanana ambony sy nahazo diplaoma amin’ ny fitantanana na ny Gestion dia mitsara tena am-pitoerana eo fa ho havanana ho azy amin’ ny fitarihina koa.

Ny fiheverana manodidina ny olona mantsy no vontoatin’asa amin’ ny Leadership ary ny zavatra kosa amin’ ny fitantanana. Ary amin’ ny tenintsika malagasy dia mazava fa ny zavatra no azo tantanina, ary ny olona  no tarihina. Andaniny, ny mitarika dia manoro lalana sy misarika ary mandresy lahatra.Ankilany, ny zavatra toy ny rafitra, ny dingana manatontosa, ny lafiny teknika mbamin’ ny teknolojia,…no azo tantanina.

Io fametrahana ny olona hitovy amin’ ny fananana io no fifangaroana tsy mahatafavoaka ireo mpitantana sasany mbola tsy mahazo tsara ny Leadership ka mahatafaroboka azy amin’ ny fifanjevoana.Indrindra moa rehefa misy manosoka ny teny tahaka ny hoe “Gestion des ressources humaines”.Ny fihenan’ ny fahavitrihana sy ny hafanam-po izay miteraka tsy famokarana amin’ ny tokony ho izy dia ny fisian’ ireo mpitantana mirona amin’ ny lafiny teknika sy teknolojia(Techno-managers) ka mitondra ny olona ho toy ny zavatra tsotr’izao.

Vokatr’ireny dia tsy vitsy  ny sehatra tafanjevo ao anatin’ ny fomba fanao mahazatra ka tsy mahavita mampiditra zava-baovao intsony mba hihoarana misimisy kokoa na fara-faharatsiny hikojakojana ny toerana efa misy azy.Ingahy Jack Welch izay PDG  ny General Electric tany Etazonia tamin’ny fotoan’androny ohatra dia isan’ireo nahatsikaritra lalina ity fifanjevoana ity ka nanjary nampanakoako ilay teny nataony hoe: “Aoka izay ny fahefan’ ny mpitantana izay efa be an’isa ato fa ny mpitarika kosa indray izao no tadiavin’ny orinasa!”. Voaporofo tsy ela tao aorian’io tokoa fa nanosika betsaka ny firoboroboan’ito orinasa ito ny fanomezan-daka  nomeny ho an’ny Leadership teo anivony.

 

 

MITARIKA OLONA SA MITARI-TENA?

Ary satria manodidina ny fitarihana olona araka ny voambara tetsy ambony no asan’ ny Leadership dia sesehena amintsika no alaim-panahy fa fitarihana olon-kafa ankoatran’ ny tenanao hatrany izy ity raha vao tononina.Misy mihitsy aza sahy miteny fa natao ho an’izay mieritreritra hanao asa ahitana fiserantseran’olo- maro toy ny fanaovana politika sy fitondrana orinasa ngezabe ihany no tena ilàna azy koa tsy dia mahaliana loatra (?).

Ny tena marina anefa, raha misy ny karazan’olona mila fitarihana voalohany indrindra eo amin’ ny fiainana dia tsy ny hafa velively izany fa ny tenanao aloha.Midona amin’ ny rindrina avy hatrany araka ny fitenin’ ny tanora ny Mpitarika iray tsy mahita na tsy manao fanatsarana ny tenany aloha fa tonga dia mitsambikina mijery ny hafa.

Asa tsy avy dia misosa tanterahina tahaka ny filaza azy ity mitari-tena ity satria raha misy olona faran’izay sarotra tarihina indrindra eto ambonin’ ny tany dia tsy ireo karazan’olona mety mby ao an-tsaintsika ao tahaka ny hoe ianona sy ranona avy fa dia io tenabentsika io.Fiteny aza moa ny hoe” Ny mitondra tehina mora, fa ny mitondra tena kosa sarotra.”

Ary io tsy mitari-tena hoe mankaiza akory fa mankany amin’izay lafiny hivoarana rehetra.Ilaina mantsy ny mitrandraka ireohery ara-tsaina sy ara-batana ao amin’ ny olombelona tsirairay  raha hampandroso azy.Ary tsy mpandinika iray no mahatsapa fa tsy hita pesipesenina tokoa izany hery ao amintsika izany saingy mbola mety miafina aminy izany ho an’ny sasany.Ny  psykology amerikana William James moa dia nahavita nandrefy  mihitsy  fa  zara raha ny folo isan-jaton’io hery io ihany no tena fampiasan’ ny besinimaro amin’ ny ankapobeny.Ny ambiny dia zary mipetra-potsiny sy  mijanona ho harena avela hatory ao anaty ao.

Ireo voka-dratsy mpitranga eo amin’ ny sehatry ny fitarihana anefa dia mazàna eo amin’ ny tsy fahalavorarian’ ireo fototra enti-miainga momba ny fampivoaran-tena  toy izany ananan’ilay Mpitarika. Tsy ampy, ohatra ny fanombanan-tena anananao ka mampihena ny fahatokisan-tena izany.Koa na ireo mpiara-dia akaiky aza manjary maneho fisalasalana aminao eo amin’izay atao.Na koa mifandaka ho atsimo sy avaratra ny raharaha nohon’ ny tsy fahafehezan-tena ka zary lasa”Mpitari-bato vilam-bava, ka hafa ny tondroin’ ny molony, hafa koa ny tondroin’ ny tanany”.

Mifandray noho izany ny asan’ ny Mpitarika sy ny asa amin’ ny fampivoaran-tena (Développement personnel) fa tsy samy manana ny hanitra ho azy akory izy roa tonta.Ary ny lafim-piainana rehetra dia  voakasika sy ilàna ny fahaizana Leadership avokoa raha tsy hoe angaha misy ny hisafidy ny handeha hitoka-monina any amin’ ny tany tsy misy olona.

 

 

ENDRIM-PITARIHANA FILAMATRA

Fa isan’izay ambeti-tenin’ ireo mpanontany foana koa ny fahalalana ny hoe endrika Leadership (Style) tahaka ny inona no mety sy tandrify ny vanim-potoana iainantsika ankehitriny? Raha hatao tokoa ny fikororohana ny fomba fiasa  asehon’ ireo Mpitarika isanisany dia eo amin’io endrika entiny io  no  tondro iray ahatsapana an’izay mampiavaka azy ireo.

Tsy misy anefa endrika raikitra azo ambara ho valin’izany na koa lamaody nohon’ ny fivoaran’ ny vaninandro  fa arakaraky ny Mpitarika sy ny sehatra misy ary ny tontolo iainany ao anatiny ihany no mety ahitana izay endrika antonona izay. Ary io ilay antsoina hoe “Leadership situationnel”.

Misy toe-javatra mety hiovaova sy sarotra tombanana dieny mialoha mandritry  ny fitarihana ka eo indrindra no ilàna ny  saina matsilon’ ny Mpitarika.Ary ny fahazoam-bokatra ihany no tokony hitsarana azy na inona na inona fomba na endrika nampiasainy.

Ny tena ratsy mateti-pitranga dia ny  fisian’ ny olona tonga eo amin’ ny toeran’ ny Mpitarika kanefa votsa dia votsa eo amin’ ny  taham-pifehezana ny Leadership. Tsy handainga angamba isika raha  hilaza fa efa samy nahita karazana Mpitarika toy izany  avokoa ary tsy voatery eo lafiny ara-endrika ihany izany fa mipoitra koa amin’ ny tsy fananana ireto toetra manaraka ireto:

-Tsy manana nahim-po (Initiative) fa voatery miandry ny hafa hatrany vao mahahetsika.

-Variana foana amin’ ny lafiny teknika sy tsy mahavita mampiray ny olona ka tsy hita taratra matetika (Invisible).

-Mora mionona sy mora kivy raha vao sendra misy olana mandalo ka tsy manintona mihitsy.

-Tsy manana vina mazava (Vision) ka mikorontana ny asa iantsorohana.

-Tsy mahavita manainga ny sary an-tsaina (Imagination), ny faharanitana (Intélligence) ary ny fahatokian’ireo mpiara-dia.

-Tsy mahazara ny ampaham-pahefana (Pouvoir de délégation) eo am-pelantanana ho an’ny mpiara-miasa fa dia misalobo-komana irery.

– Tsy manampy ny olona hino ny tsy azo tontosaina ho tanteraka.

Raha bangoina izay tiana avoitra amintsika dia midadasika ny raharaha sahanin’ ny Leadership ary izay mahafehy azy  dia manana tombondahiny makadiry  ho an’ ny tenany sy izay sehatra misy azy.Manan-tsafidy  roa rahateo  ny olombelona iray eo amin’ ny fiainany hoy  i Napoleon HILL izay mpanoratra raindahiny amin’ ny fampivoaran-tena .Na izy hanao  rebik’ondry sy hanara-drenirano fotsiny.Na izy hiroboka ho amin’ ny fitarihina.Koa  raha izany dia taranja mila tomorin’ ireo izay te hanondrotra hatrany ny maha-izy azy izany satria fampivelarana ny tena maha-olona, fisarihana sy fanoroan-dalana ny hafa.Sa ahoana?

 

                Naina RAKOTOMALALA

 Hadihady nivoaka tao amin’ ny Bulletin RANITRA N° 15

MINI-FORMATION DE LEADERSHIP EN SALLE-

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s