HADIHADY : Ny Tosiky ny sarika

     Tsy azo lalovam-potsiny amin’ ny fianarana ny Fifeheza-mitarika (Leadership) ny atao hoe Tosiky ny sarika (Puissance de l’attraction) ka ny momba izany indrindra no ho entina eto amin’ ity pejin’ nyHadihady ity.Misahana ny fitarihana olona rahateo ny vontoatin’ ny  asa amin’ ny “Leadership “ ka be dia be ny fanontaniana mipetraka avy amintsika.Santionany ny hoe endrika “Leadership” tahaka ny inona no tena mampahita fahombiazana indrindra? Ahoana no fomba fitondrana ny hevitra izay anao samirery kanefa irinao ny mba haneken’ ny olon-drehetra azy?   Azo atao ve ny mitarika olona iray  na vondrona amin’ ny toe-javatra iray izay mbola tsy eken’ ny sainy? Tahaka ny inona no fomba fambaboana fon’olona iray?Izay tena iompanantsika eto dia ny mahakasika ny antonantony mahatonga antsika ho voatarika amin-javatra  na hevitra iray.Izay azo hanazavana azy tsotsotra dia ny fiainantsika amin’ ny andavanandro sy ny fipoitran’ ny fiasan’ ny Tosiky ny sarika.

 

Araky ny fandinihan’ ireo manam-pahaizana mantsy dia misy herim-pitarihana mifampisintona eo amin’ ny olona roa na maromaro miara-miaina.Izany no mahatonga ny olona iray hanaraka tsy satry izay ataon’ ny olona akaiky azy na koa izany no hanarahan’ ny manodidina tsy nahy an’izay asetrinao.Ary ny fiasan’ io hery io izay tsindriana tsara fa miasa TSY SATRY na TSY NAHY eo amin’izay iharany no antsoina hoe Tosiky ny sarika amin’ ny ankapobeny.

 

Azo ambara ho mitovy tsy misy valaka amin’ ny andriambý (Aimant) io tenantsika olombelona io.Arakaraky ny tanjaky ny vy manodidina azy  no misy ny toerany.Raha mahery vaika noho ilay andriambý ny vy eo akaikiny dia mazava ho azy fa ho voasintona hipetaka eo amin’ izany vy izany izy.Raha maivamaivana kosa ny vy manodidina azy dia ho voasarika eo aminy.Indro misy tantara kelina tovovavy roa izay hampahazava antsika azy kokoa hanombohana azy:

 

FANJA SY NORO

Mpinamana be tsy mifankafoy i Fanja sy Noro.Efa hatrany an-tsekoly izy ireo no nifankafantatra sy niaraka .Nanomboka teo amin’ ny kilasy faha6 teo ary tsy nisaraka toeram-pianarana mihitsy izany.Nitohy hatramin’ ny fahafahan’ izy mirahavavy “Baccalauréat “ nony taty aoriana.Rehefa nisafidy izay taranja ifantohana eny amin’ ny ambaratonga ambony dia nilaza i Noro fa hiditra ao amin’ ny sampam-pianarana“Lettre” mba handalina ny teny vahiny Anglisy. Nanavanana azy manokana moa ity teny vahiny ity

satria saika voalohany hatrany izy tamin’ io tany an-dakilasy. I Fanja kosa dia somary votsavotsa tamin’ izany satria  ny taranja Filozofia sy ny Tantara no tena nanavanana azy.

Niady mafy anefa ny sainy indray alina izay satria tonga tamin’ ny fotoana tsy maintsy hanapahan-kevitra ny amin’ izay taranja izorany izy ny ampitson’ io.Ny nandalo tao an-dohany dia ny ahiahiny lalina izay mety hampihena ny fifaneraserany amin’ i Noro raha toa ka misafidy ny taranja tena antonona azy izy.Nandinika ny tenany izy raha mba afaka ihany koa hianatra teny Anglisy.

Io eritreritra tonga teo amin’ i Fanja io dia Tosiky ny sarika.Hery izay nisintona ny sainy mba haka tahaka izay ataon’ ny namany toa an’ i Noro.Ary isika isanisany io eo amin’ ny andavanandro dia efa niaina ny tarehin-javatra toy izany foana.

Noho izany, ny olona manodidina sy mifampiserasera amintsika etsy andaniny dia mampita hery mitarika tsimoramora ho amina toe-javatra iray izay mety tsy noheverintsika tsara akory.Ary ankilany, isika koa dia mety ho efa nandefa izany tamin’ ny hafa saingy mety tsy ho tsapa ny fiantraikany.

Firifiry amintsika moa, ohatra, rehefa manatrika fotoam-pivoriana iray, ka raha sendra misy olona iray manoaka eo dia toa voatarika ho azy koa ianao hanoaka toy izany? Hetsika apoitran’ ny Tosiky ny sarika izay manafika antsika mazàna ny toy izany.

 

MIIBA SY MIABO

Ny Ntaolo malagasy raha nilaza ny fombafomba tokony hatao amin’ ny fifandraisana amin’ ny olon-kafa toy ny namana dia nanao hoe “Izay miaraka amin’ ny amboalambo dia amboalambo!”.Ary nampian’ ny Frantsay koa hoe “Lazao ahy izay namanao dia ho fantatro ny toetranao”.Izany hoe mifamindra toetra amam-pihetsika moramora ny olona anaty vondrona iray.Raha toa sanatria ka tsy mendrika ny kolon-tsaina lalaina ao dia voatefy ho azy hanahaka izany izay olona tsirairay miray monina.Koa voatery hiolonolona sy hitoka-monina ve izany isika amin’ izay tsy handairan’izany fifindràna izany izay fototry ny Tosiky ny sarika?

Zava-dehibe ilaina amin’ ny fifantenana namana iarahana sy  vondron’olona ifaneraserana ny fitsirihana tsara ny vokatry ny Tosiky ny sarika mety hifamezivezy. Rehefa miaraka amina sokajin’olona ambony (?) na mahomby  ianao dia mitarika ho amin’ny fahombiazana kokoa izany satria mifindra tsikelikely aminao ny Tosiky ny sarika avy amin’ izy ireny.Ny mifanohitra amin’ izany kosa no hitranga raha toa ka sokajin’olona tsy dia manao ahoana loatra no itakosonanao.

Ireo mpifehy fitarihana sy mpikatsaka fampivoarana ny tenany dia manao izay hampihena na hanafoana ny tahan’ Tosiky ny sarika miiba (Influence négative) miantefa any aminy ary manao kosa izay hampakarana ny tahan’ ny Tosiky ny sarika (Influence positive) hiroborobo hatrany.

NY TOHIN’NY TANTARA

Tsy nianatra teny Anglisy akory i Fanja raha ny tohin’ ny tantaran’izy mirahavavy.Niharam-pahavoazana mafy tamina lozam-piarakodia iray ny rainy ary indrisy fa dia nodimandry.Naterak’ io dia voatery nanampy ny reniny tamin’ ny asa fivarotana navelan’ ny rainy izy mianaka.I Fanja moa dia vavimatoa ary mbola nisy kelikely ihany ny zandriny ka tsy afaka ny nanohy ny fianarana intsony izy.Mafy taminy io tranga io na dia tonga nampahery azy tsy tapaka aza i Noro namany.

Rehefa nihodina teny ny andro sy ny volana dia tsapa ho niha-niroborobo fatratra ny varotr’izy mianaka.Afaka  naka mpiasa nanampy azy tamin’ ny anton-draharahany i Fanja ka niha-nalalaka ny fotoanany izay nahazoany nanovo fahaizana ihany, na dia tsy teny Anglisy aza no nataony tamin’ izany.

Indray andro, sendra nifankahita tamin’ i Noro teny an-dalana tampoka izy.Tamin’ io fotoana io no nanambaran’ ity farany fa hanambady izy ary efa hotontosaina tsy ho ela ny raharahany.Izy mirahavavy ireto moa dia efa samy manana ny olon-tiany avy ary dia i Noro izany no hisantatra ity dingam-piainana ity.

Tsy nampahita tory an’ i Fanja anefa io fanambaràna io ny alin’ iny.Izay tena nampiasa loha azy dia ny hoe fotoana tokony hanambadiany tahaka an’ i Noro koa izao.Ny nanahirana azy dia ny hitady fombafomba hampanekena haingana an’ilay zalahy olon-tiany mba hiroso kokoa amin’ izay fiheverana ny ho raharahan’ izy ireo.

Io feon’ ny fieritreretana nibitsika mangina tamin’ i Fanja toy ny  mandefa baiko hoe “Ianao koa efa  tena mila manambady amin’ izay toy ny namanao“ dia Tosiky ny sarika tsy iadian-kevitra.Nanambady tokoa i Fanja nony kelikely tato aoriana ary tsy nifanalavitra tamin’ ny fotoanan’ ny mariazin’ i Noro no nanatanterahana azy.Tsy naharitra herintaona anefa izany  dia rava teo sahady ilay tokantrano izay  vao naorin’izy ireo.

 

INONA NO RAISINTSIKA AMIN’ IZANY?

Mbola karazana faniriana ihany teto no nisongadinan’ ny Tosiky ny sarika tamin’ i Fanja .Ny endriny fotsiny no tsy nitoviany tamin’ ilay hoe fianarana teny Anglisy. Nampikatona ny sainy handanjalanja ny fisondrotry ny faniriana tafafindra tao aminy.Ary dia nitarika azy koa hamindra izany indray tamin’ ny alalan’ny fanerena an-kolaka ilay olon-tiany.Raha tsaraintsika dia olona roa (Fanja sy ity olon-tiany) izany no niharan’ ny Tosiky ny sarika miiba (Négatif), indrindra rehefa nozohiana ny niafaran’ ny tantara.

 

NY FANIRIANA

Ampianarina antsika fa raha te handroso eo amin’ ny fiainany ny olona iray dia mila manana tanjona mazava ary  tsy misy ny mahadiso izany.Ny mpitarika mahay aza dia tonga manangana vina (Vision) mihitsy.Singa iray ho enti- mamaritra  tanjona anefa ny faniriana. Ary tsy maintsy miainga amin’ ny famolavolam-paniriana hifanandrify aminy ny tsirairay vao miditra amin’ ny famolavolana tanjona.

 

Misy  ny faniriana an-jambany (Désir à l’aveuglette) izay ateraky ny Tosiky ny sarika miiba (Influence négative) fotsiny toy ity nanjo an’i Fanja ity.Misy koa ny faniriana mahiratra (Désir objectif).Io dia miorina amin’ ny tena maha izy anao madio mangarangarana.Izy no manaitra sy manetsika ireo angovo tsy hita pesipesenina miafitra ao anatintsika ao.

Isan’ ny mahavoafandrika matetika ireo mpahay fitantanana (Gestion)  izy ity  rehefa mandrafitra tanjona izy ireo satria tsy ampy ianteherana fotsiny ny « Objectif S.M.A.R.T» araka ny filaza azy ara-teknika raha toa ka tsy mifameno amin’ ny fananana faniriana mahiratra (Désir objectif).

Ny fahavitrihana amin’ ny asa tadiavina eo amin’ ny fiatreham-pihariana, ohatra indraindray dia tsy vitan’ ny fanaingaingàna na famporisihana ivelany.Tsapa ho mamokatra amin’ ny tokony ho izy, indrindra raha miara-dalana amin’ ny faniriana mahiratra (Désir objectif) ananan’ ny mpanao azy satria hampitombo betsaka ny fahazotoana (Conviction) izany.

 

IREO FIHETSEHAM-PO SAMIHAFA

Tsy eo amin’ ny faniriana ihany akory no endrika mety isehoan’ ny Tosiky ny tarika saingy mivandravandra kosa eo amin’ireo fihetseham-po izay ananan’ny olombelona.Ary izay karazana fihetseham-po toy ny fifaliana, alahelo, hatezerana, fialonana,…. eo amintsika izay  dia manentana ity hery sy mora mifindra (Emotion vibratoire) avokoa .Izany dia manjary lasa fitaovana azo hanaronana ny sain’ ny hafa.Na io mankany amin’ ny fampivoarana azy, na koa hanambakàna sy hangejana ny hafa.

 

-Mankeny an-tsena handeha hividy entana iray ianao izay misy mpivarotra maromaro manana izany ohatra.Tamàna teo amin’ ity ramatoa mpivarotra iray hatrany anefa ianao isaky ny mividy hatrany ity entana.Rehefa fakafakaina,tsy dia teo amin’ ny kalitaon’ ny entana na ny vidiny izay mitovy tanteraka amin’ ireo eny amin’ ny mpivarotra hafa  no nampandresy lahatra fa mety nohon’ ny tsikitsiky sy ny fandraisana izay nasehon’ ity ramatoa no nambabo anao.Fanehoam-pifaliana,izany hoe fihetseham-po izay avy hatrany dia mora nifindra ho azy tany aminao.

 

-Niresaka taminao ny olona akaiky sy tena itokisanao indrindra.Nolazainy fa i Ranona izay namanareo dia olona mpamadika sy tsy miasa afa-tsy ny hamotika ny tanjona iarahanareo.Avy hatrany dia misy hery manosika ao anatinao hampino fa marina tokoa izany.Olona akaiky ahy ito ve handainga amiko hoy ianao fa dia i Ranona mihitsy izany no tsy izy.Fihetseham-po mampiseho fankahalàna toy izany no naseho anao ka dia mety ampoizina hanao tsinontsinona ilay Ranona tokoa ianao avy eo,indrindra raha tsy misy na tsy ampy ny fandanjalanjana avy any aminao.

Mila mitandrina isika noho izany satria miankina amin’ ny tsirairay mampiasa azy sy iharany ny vokatry ny Tosiky ny sarika mifampiampita.

 

NY FEPETRA FISOROHANA

Mety hilaza angamba isika fa mety ho tsotra ihany no azo isorohana an’ izay Tosika miiba manafika.Tsikaritra mantsy fa ny tsy fahaizana na ny tsy fahampian’ ny fandanjalanjana an’izay tandrify mendrika izorana no mampiroboka an’ ireo tafidi-kizo ary mipoitra indrindra izany rehefa hanapa-kevitra na hisafidy lalana ny tena.

Ilaina anefa ny mianatra mba hananana ny tena fandanjalanjana voasaina hatrany isak’ izay toe-java-mitranga.Indrindra, olombelona isika ka mila fomba maty paika ny fifehezana ireo fihetseham-po mamefy ao anatintsika.

Ireny ampahan’  olona izay nahatakatra tsara ny fisian’ity Tosiky ny tarika ity no isan’ ny manana ny fitaovana tsara indrindra ho amin’ ny fampivoarany ny tenany sy nahatsimbadika vokatsoa teo amin’ ny tanjona izay nokasainy.Tany aloha tany dia nofihinina ho tsiambaratelo izany ka tsy hita soritra na ny marimarina kokoa niniana tsy nohazavaina loatra tamin’ireo fampianarana nahazatra.Ankehitriny kosa dia efa manomboka ny fiparitahan’ izany tsikelikely raha tsy hilaza afa-tsy ilay horonan-tsary nalazabe (Film Best seller) nivoaka tamin’ ny taona 2006 teo izay nataon’i Rhonda Byrne ka nampitondrainy ny lohateny hoe “The secret” na Le secret des pouvoirs cachés de l”homme “ amin’ ny fiteny frantsay.

 

THE SECRET”

Ny tena voasongadina tao anatin’ io horonan-tsary io dia ny maha-lalàna (Loi) tsy azo ihodivirana azy ity eo amin’ ny fiainana.Voaporofo ara-tsiantifika koa ny mampitombina azy araka ny fijoroan’ ireo vavolombelona izay olona fantatra eran-tany fa efa manana ny maha izy azy avokoa. Ary raha mamakafaka  tsara dia mahita fa tsy marina velively ny fanakianana voizin’ ny sasany izay milaza fa manozongozona ny finoana toy ny fivavahana  efa ananan’ny tsirairay ny fianarana ny fiasan’ ny tosiky ny tarika.Ny mifanohitra amin’izany aza no izy.

Na miezaky ny hahafantatra sy hifehy izany aza anefa isika dia toy ny zava-poana ihany rehefa tsy ampiharina na abirioka amin’ ny tsy tokony ho tandrify azy.Tsaroana eto ny voalazan’ i Lao Tse fa tsy misy fampianarana tonga lafatra mihoatra ny fampiharana (“Il n’y a une meilleure théorie que la pratique”). Ary mbola nohamafisin’i Thomas Huxley koa: Ny tanjona makadiry eo amin’ ny fiainana dia tsy ny fahalalàna akory fa ny fanatanterahana.(“Le grand but de la vie n’est pas le savoir mais l’action”).Ny fanazarana tsy tapaka izay mila tontosaintsika  matetika no hiantoka ny fampahombiazana azy.

 

ATAO AHOANA ÀRY NY FANOVOZANA AZY?

Santarina amin’ ny fandraisana fanapahan-kevitra hifantoka amin’ ity taranja ity izany raha mahatoky tena no sady resy lahatra isika fa mbola afaka hivelatra ho miabo kokoa amin’ ny toerana izay efa misy amin’izao fotoana izao.Rehefa liana sy tratrantsika izany dia ampoizina fa tsy maintsy hisy Tosiky ny sarika hanintona antsika miandalana ho amin’ny dingam-pandalinana hafa sy matevina.

 

Naina R.

(Lahatsoratra notsoahina tao amin’ ny Bulletin RANITRA N°08)

 

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s