SAVA-LALANA

     Ankoatra ny fitantanana ny tranonkala eto sy ny ao amin’ ny facebook dia miandraikitra ny fikarakarana ny fanoratana sy famoahana ny taratasim-pifandraisana na bulletin de liaison RANITRA izahay eto amin’ ny TAMIFA Communication.

Araka ny anarany dia ainga iniana sy fijoroana ho tompon’ antoka hamparanitra  kokoa ny fisondrotam-piainana sy fampivoaran-tena no antom-pisiany. Fanamby ho an’ ny Mpikambana TAMIFA Madagascar eto an-toerana sy any ivelany ny hitsanganan-tsehatra itrandraham-pahalalana, hanehoana sy hampiadian-kevitra mihoatra noho ny  fomba sy toerana mahazatra hatrizay.
Novokarina ho an’ny mpamaky mpiandany na koa ny mpanohi-kevitra raha hahavita hampita ny eritreriny rahateo ary ho afaka hitsara tsy amin-tendrony.

Mifameno amin’ izay tontolo efa miparitaka eto amin’ ny tranonkala ny vontoatiny.Isam-bolana tsy tapaka no mipoitra ny laharan’ ny RANITRA vaovao.Efa nanomboka ny volana Novambra 2011 ny laharana santatra  ary itozoana sy hatsaraina hatrany ny  fanatomombanana ny manodidina azy ho an’ ny manaraka rehetra.
Fa raha ny Fandrosoana sy ny fampandrosoana ihamboantsika ankehitrinydia ny manoka-dàlana hivelarana amin’ ny tena fifeheza-mitarika sy fihariana kosa izao no mendrika azy.Fitaovana iray handrefesana ny dingam-pahombiazana ketrehantsika ny RANITRA ka anjaran’ ny tsirairay ny mandanjalanja an’izay tandrifiny.

Afaka mijery  sy misintona maimaim-poana ny laharana rehetra efa niseho  amin’ ny alalan’ ny eto isika mpamaky tsy an-kanavaka.Ho fandaminana anefa dia mila manao fangatahana tsotra aty aminay eto mba ahazoanao ny kaody ahitana azy.

Ho an’ ireo efa manana izany dia afaka miditra avy hatrany :

Ho an’ ireo hangataka kosa dia ny anarana sy adiresy mail miampy soratra “Fangatahana ny Bulletin de liaison RANITRA” no soratanao etsy amin’ ny zoron’ ny Commentaires eto ambany.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s