Vaovao ampitaina

MIROSO HATRANY AMIN’NY FIHETSIKETSEHANA TSY TAPAKA NY TAMIFA Madagascar!

 

Raisinay eto amin’ ny TAMIFA Communication ny anjara manandrify anay amin’ izany.

Misy fanavaozana miandalana ampiasaina amin’ireo tranonkalantsika ankehitriny.Na ny www.facebooktamifa.tk    izany fa indrindra indrindra koa ny eto amin’ny www.tamifamadagascar.tk .

Ny kendrena dia ny hahatonga azy ho tena ho fitaovam-piasana matanjaka ho enti-mampisondrotra ny tenantsika sy ny Fikambanana.Ankoatra ny maha sehatra natao ifandraisana malalaka azy tsy voafefin’ ny vazan-tany dia sehatra  ahafahantsika mahazo  ireo vaovao  ara-potoana samihafa  sy manana  ireo tahirin-kevitra amin’ izay filantsika avy izy ity.

 

Tsara dia tsara tokoa araka izany ny manaraka ireo lahatsoratra vaovao mipoitra izay ezahina tsy maintsy voasoratra isan-kerinandro fara-fahakeliny. ( Tsindrio eto raha hiditra ao amin’ ny rubrique “Les dernières informations” ).

 

Aza adino koa ny mamandrika ny Bulletin RANITRA izay manovona ny tsy fenon’ireo tranonkala voalaza etsy ambony.

 

Amin’ ny maha fiaraha-miasa azy,izahay dia maneho ny fahavononana lalandava amin’ ny fandraisana izay hevitra ,vaovao samihafa na lahatsoratra avy amintsika Mpikambana ho fampiroboroboana ny ambaindain’ ny tenantsika tsirairay avy sy ho an’ ny TAMIFA Madagascar.Amporisihina antsika araka izany ny fandalovana mivantana amin’ ireo Biraom-pifandraisana manakaiky ny toeram-ponenantsika.

 

Alohan’ ny hamaranana dia ity misy Citation iray misy hotsakotsakoina kely:

“Qu’aucun jeune n’ait de crainte pour son avenir, quelque soit la voie qu’il ait choisi. S’il travaille consciencieusement pendant chaque heure de la journée, il n’a pas à se soucier du résultat. Il peut être sur d’être un jour les individus les plus capable de sa génération, quelle qu’ait été son orientation”. William James

 

Ankasitrahana hatrany ny fifehezantsika mientana!

 

TAMIFA Communication

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s