TANORA VE?

Sarobidy ny atao hoe « fahatanorana »,satria ny ankamaroan’ny zanak’olombelona dia miezaka manao izay hiainana hatrany izany hatanorana izany.Tranga fahita matetika eo amin’ny fiaraha-monina ary mahatohina olona maro raha misy ny folaka an-dantony.Azo amaritana ny atao hoe « Tanora »ny endrika ivelany ,ny toe-tsaina hatramin’ny fahaizana ihany koa.Ny  fikambanana toy ny TAMIFA Madagascar  dia mametraka avo kokoa ny maha Tanora amin’ny lafiny toe-tsaina.

Azo tarafina avy amin’ny fijery ivelany na fijerin’ny maso na fahatanorana.Isany ny tanjaka sy ny hery.Mandritra io vanim-potoana io no itoeran’ny fahavitrihana eo amin’ny mahaolona,ka ho fitanana io tanjaka sy hery io dia voaentana ny olona hokojakoja ny vatana sy hitandro ny fahasalamany ary eo no mipetraka ny safidy hitsinjovana ny andron’ny fahanterana.Saingy mavesa-danja ihany koa ny faharahana ireo zava-baovao mivoaka eran’izao tontolo izao izany dia hamafisin’ny rivotry  ny fanatontoloana.Izay tsy  manaraka ny maharaka izany dia voafaritra ha tara na ilaozan’ny toetr’andro, ka mivoaka ny tontolon’ny fahatanorana.Noho izany ety ivelany dia fahatanorana mira amin’ny tanjaka,hery,endrika sy lamaody ary ampian’ny hoe teknolojia izany tato anatin’ny vanim-potoana tato aoriandriana.

Taty amin’ny taon-jato faha 21 dia tsy afa-misaraka amin’ny tanora ny serasera nateraky ny fivoarana haingan’ny teknolojia toy ny finday sy ny « internet ».Raha dinihina dia tombony goavana ho an’ny tanora ny fandrosoan’ny teknolojia satria mampihena ny elanelana misy eo amin’ny tanora maro izany sady  manamora ny fifanakalozam-baovao sy ny fifampizarana .Manoloana izany anefa dia mampametra-panontaniana ny fampiasan’ireo zatovo  izany raha toa ka mijanona ho serasera ihany ireo fa tsy ho fitaovana hiteraka tombony amin’ny lafiny fampivelarana ny mahaolona.Raha dinihina dia mihena kokoa ny fotoana lany amin’ny fikaroham-baovao ho an’ireo tanora amin’ny fandalinam-pahaizana  ataony fa saika efa atolotr’ireo fitaovana ireo izay tadiaviny.Ny mila tsy ho ampy dia ny fampiasana ilay « fahavitrihana »ara-tsaina ananan’ilay olona no voamarika.Noho ireo fahatsapana ireo dia tokony hoezahana ny hanentana ireo zatovo fa manana tombony izy  amin’ireo fivoarana  raha ampitahaina amin’ny tany aloha,nefa tsy tokony hijanona ho serasera na lamaody fotsiny ihany fa fitaovana tsy azo tsinontsinoavina indrindra amin’ny fanandratana fihariana izay teboka goavana indrindra ifantohana mandritra ny fahatanorana.

Na eo aza anefa izany  dia tsy azo odian-tsy hita fa mbola tsy ny rehetra no mahazo izany fivoarana izany.Mbola mitaky ezaka  lehibe satria mampisy sy mampisongadina ny elanelana misy eo amin’ny tsirairay ary mahasamihafa ny fahatanorana.

MPANORATRA:Jocelyne RASOLONIAINA

2 responses to this post.

  1. Posted by Tsivery MARCO on 20 avril 2011 at 9 h 43 min

    En effet,dire Jeunesse dit loisirs,études,aventures et ajoutons rencontres,parmi ces points ,lequel les jeunes mettent sa plus grande importance.
    Je voudrais attirer spécifiquement l’ intention sur les études et les rencontres,des points différents mais peuvent avoir leur relation,car actuellement il y a la technologie,dans peu d’années,nous devons penser que tous se baseront sur la nouvelle technologie ,déjà dans les pays développés comme dans les autres pays.Ainsi les sources d’études supérieures et les marchés de travail se trouveront sur les versions électroniques et tout le monde devra consulter leurs ordinateurs via connexions pour chercher meme des petites minuscules de choses qu’ils en auront besoin.
    La façon dont votre association TAMIFA Madagascar a oeuvré pour cette jeunesse à vouloir s’orienter vers le développement personnel m’a reveillé et m’ a convaincu à contribuer avec vous.

    Réponse

    • Un grand remerciement pour l’intérêt que vous avez montré à l’ égard de notre article. Ainsi nous partageons les mêmes idées à propos du développement de la jeunesse, la maitrise de la technologie et la préparation de l’avenir professionnel.

      Afin de fructifier réellement ces idées, nous vous invitons à participer aux actions de nos commissions et à votre initiative de choisir librement celle qui vous conviendra ; du coté technique, il y a la capacité qui y fournit des outils aux diverses formations utiles, pour les échanges et les partages, la commission envergure vous accueillera et du coté professionnel , la commission affaire est la plus appropriée ,mais toutes ces commissions agissent pour réaliser les mêmes objectifs. Alors nous comptons sur vous.

      Jocelyne RASOLONIAINA

      Réponse

Laisser un commentaire